Canada : Vehivavy vita vaksiny ara-dalàna no matin’ny Covid-19 tao amin’ny ivon-toerana Kitchener
Vehivavy 90 taona vita vaknisy nipetraka tao amin’ny Kitchener ao Ontario no voamarina fa matin’ny Covid-19. Tsy naneho soritr’aretina nisy fahasarotana ity ramatoa ity araka ny tompon’andraikitra ao an-toerana, ary ity no trangam-pahafatesana voalohany. Saingy lasa nahatratra sivy kosa ireo olona mitondra ny tsimok’aretina ao an-toerana, efatra mpiasa ary dimy monina ao an-toerana.Ny tompon’andraikitra ao amin’ny Schlegel Villages no nanambara tamin’ny tranonkalam-pifandraisana fa tsy naneho soritr’aretina nisy fahasarotana velively ity ramatoa ity. Saingy nandritra izay fotoana izay dia mivoatra haingana be ity aretina ity hoy izy hatrany.Nahita tranga maro ny faritra Waterloo misy an’i Kitchener tamin’iny herinan’andro lasa iny. Manamafy hatrany io tompon’andraikitra ara-pahasalamana fa ity variant delta ity dia mifindra haingana ary izany no mahatonga ny tranga miha maro. Kanefa maharitra fotoana maro ny fanamarinana ity virus deltaity izay antsoina ihany koa hoe B1617.
