SocialTatitra

Afrique du Sud : Andro manana tantara ratsy ny 22 jona

alàna voalohany ao amin’ny lalàna amin’ny fanavakavaham-bolon-koditra sady lehibe indrindra ao Afrika atsimo ity mahakasika ny fandraiketana ny mponina ity. Napetraka tamin’ny 22 jona 1950 ary nanakery nanomboka ny 28 jona 1991. Mitaky ny fanasokajiana sy fisoratana anaran’ny mponina rehetra ao amin’ny firenena izany araka ny foko niaviany avy.Misokajy efatra ireo, sokajin’ny mponina ireo. Ny fotsy, izay noroahina raha toa ka nanambady na niara-nipetraka tamin’ny olona iray hafa foko aminy. Ny mainty dia izay miteny bantoues sy Khoïsan. Ny safiotra ary ny indianina. Ny toetoetra ihany koa dia mizara efatra, ny firazanana, ny endrika ivelany, fandraisan’ny manodidina azy ary fanoloran-tenany.

Laisser un commentaire