ActualitésTatitra

Italie : Tsy hanao arotava intsony rehefa mivoaka manomboka ny 28 jona izao

Nilaza ny Minisitry ny fahasalamana ao Italie, Roberto Speranza, ny alatsianiny teo fa hifarana amin’ny 28 jona ny fanaoavana arovava rehefa mivoaka. Italie no isan’ireo firenena voakasiky ny valan’aretina indrindra teo Europe kanefa izao tsy hampiasa arovava orona izao intsony manomboka amin’ny 28 jona. Na izany aza anefa ireo faritra fotsy izay ambany dia ambany ny tahan’ny fifindrana no manaraka io fepetra vaovao io kanefa efa saika i Italie manontolo mihitsy izany akoatran’ny tanàna kelin’i Aoste any avaratrin’ny firenena. Niara-nifandinihana tamin’ny « Comité technico-scientifique » (CTS) izao hevitra izao. Tsy an-tery intsony ny fanaovana arovava saingy tokony eny an-tanana mandrakariva izany sao dia misy ny olana ara-pahasalamana tampoka. 21 ny isan’ny maty ary 495 ny tranga vaovao hita tamin’io alatsinainy io ary nisy aza ny faritra sasany tsy nahitana maty mihitsy. Manodidina ny 16 tapitrisa ihany koa ny olona vita vaksiny tany an-toerana raha 46 tapitrisa ny vaksiny vao naparitaka ho an’ireo mponina miisa 60 tapitrisa.

Laisser un commentaire