Angleterre : Iza moa I Harry Kane?
Teraka ny 28 jolay 1993 tany Walthamstow any Angleterre i Hary Kane. Isan’ireo mpilalao baolina kitra fata-daza iraisam-pirenena ny tovolahy izay mitana ny anjara asan’ny mpanafika eny ambony kianja ao amin’ny Tottenham Hotspur. Nivoatra haingana be izy ny taona 2014-2015 ary voasokajy ho mpilalao faha 9 maneran-tany mihitsy. Efa nibata ny amboaran’ny anglisy izy ary nibata in-enina ny amboaran’ny Premier League. Isan’ny mpamono baolina mendrika indrindra ihany i Harry Kane ny taona 2016 sy 2017 ary 2021. Nandray anjara tamin’ny Champion’s League mihitsy aza izy ny taona 2019 tao amin’ny ekipan’ny Tottenham any Angleterre. Izy no kapiteny tao amin’ny ekipan’i Angleterre izay nivoatra be nandritra ny Coupe du monde 2018 ary tonga teo amin’ny lalao manasa-dalana kanefa nahintsan’i Croatie tamin’ny isa 2 noho 1 raha nandresy an’i Belgique tamin’ny lalao talohan’izany tamin’ny isa 2-0.
