Niger : Niaro ny tontolo iainana ny fampiasana « gaz »
Maherin’ny 260 000 taonina ny hazo nampiasaina tao Niger isan-taona hoy ny ministeran’ny tontolo iainana ao an-toerana. Nisy fiatraikany goavana tamin’ny tontolo iainany nefa izany noho izy firenena « sahélien ». Manoloana izany dia niova ny toetry ny andro tao an-toerana. Nanomboka ny taona 2011 nefa dia nitady vahaolana maharitra ny tompon’andraikitra. Namokatra entona nampiasaina nanera ny firenena izy ireo. Nampiasa « gaz butane » izy ireo ary nanitatra ny famokarana tamin’ny « bio-digesteur » ka nampiasa ny « gaz naturel » ho an’ny fandaniana hafa.Ahafahan’ny ala miavao indray izany ary entina hambolena hazo ihany koa hoy i Sani Ayouba tompon’andraikitry ny tanora nanolotena hoan’ny tontolo iainana ao an-toerana.
