SocialTatitra

La Réunion : Mahafaty olona 600 isan-taona ao an-toerana ny sigara

Volana tsy fifohana sigara na “mois sans tabac » nanomboka tamin’ny taona 2016 ny volana novambra. Manoloana izany dia nanao fanadihadiana mahakasika ny fifohana sigara i La Réunion. Olona 600 isan-taona no maty vokatr’io fifohana sigara ao an-toerana io hoy izy ireo ary tanora iray ao anatin’ny roa latsaky ny 15 no efa manandrana izany sahady.

Tanora roa ao anatin’ny folo latsaky ny 18 taona ihany koa no efa mifoka izany isan’andro raha ny fanazavan’izy ireo hatrany. Andrakandrana no tena niantohan’ny fifohana sigara rehetra ao an-toerana, maro be ireo tanora nijoro vavolomvelona manoloana izany tao an-toerana, anisan’izany i Zadig, 21 taona, efa dimy taona nifohana sigara noho ny andrana tao anatine fety iray. Eo ihany koa Coralie, 25 taona ary nanomboka nifoka sigara teo amin’ny faha 12 taonany noho ny fitarihan’ny namana ary lasa niankidoha mihitsy izy hoy izy ka nanomboka nangalatra sigara tamin’ny ray aman-dreniny.

« Vetivety ny olona iray da miankindoha amin’ny sigara, ny miala aminy nefa no tena sarotra sy tena mila finiavana, ny 70% ny olona dia tena mila fanarahamasona manam-pahaizana mihitsy na “aide d’un professionnel » hoy ny Dr David Mété, lehiben’ny « addictologie » ao amin’ny CHU Bellepierre. Mamono 50% ny olona nifoka nanditra ny fiainana ny sigara hoy izy ary io vokany io tsy eo no eo fa any 20 taona vao miseho.

Laisser un commentaire