SocialTatitra

Tunesie : Mpifindra-monina Sodaney 13 nampoy ny ainy, 27 tsy hita popoka

Mpifandra-monina Soudanais miisa 13 no maty ary 27 hafa no tsy hita popoka, taorian’ny faharendrehan’ny lakana vy nitondra azy ireo, omaly alakamisy, tao amin’ny morontsiraka Tonizianina, akaikin’i Sfax. Raha ny fitambaran’ny isan’ireo nandeha tamin’ity lakana ity, miisa 42 ireo sodaney teo amboniny ; niala avy tao Jebiniana (afovoany atsinanan’i Sfax) izy ireo. Mitohy moa ny fikarohana ataon’ireo manam-pahefana any an-toerana.

Laisser un commentaire