ActualitésTatitra

Etats-Unis : Kambana roa no maty an-drano tao anaty dobo filomanosana

Tao Oklahoma City, Etats-Unis no niseho ity tranga ity ny herinandro lasa teo. Zaza kambana mianadahy antsoina hoe Locklyn sy Loreli Callazzo no nilatsaka tao anatin’ny dobo filomanosana iray ary namoy ny ainy. Ny renin’izy ireo no nahita azy tsy nahatsiaro tena tao anaty rano ary nihezaka nanavotra azy nandrapaha-tonga ny mpamonjy voina.

Maty ny alin’io andro nisehoan’ny loza io ihany nefa izy mianadahy izay 18 volana monja. Rehefa natao kosa ny fanadihadiana dia fantatra fa ny reniben’ireo ankizy izay voan’ny Alzheimer no nanadino nanidy ny varavarana niazo ny dobo filomanosana ka izao niteraka ny loza izao.

Laisser un commentaire