ActualitésTsidika

Ahiana hitera-doza ilay « Bac » mampitohy an’i Mananara sy Maroantsetra

Efa manomboka ratsy sy tsy manaraka ny fenitra intsony ka ahiana hitera-doza ny « Bac » na irony fitaovana fitaterana an-drano irony izay mampitohy an’i Mananara sy Maroantsetra amin’ny alalm-pirenena fahadimy.

Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra ny amin’ny fanamboarana ny lafiny ara-teknika dia mety hiteraka loza. « Misy vaky ka tsy mahazaka fiara vaventy intsony ilay “Bac” eo an-tananan’i Fahambahy » hoy i Roger, mponina any Maroantsetra. « Raha tsy misy ny fandraisana andraikitra haingana dia ho loza no hiseho sady ho avy rahateo ny fotoam-pahavaratra kanefa 10 000 Ariary ny saram-piampitana eto, ary mbola mandoa vidina gazoala » hoy i Mahery, raim-pianakaviana sendra nandalo tany an-toerana.

« Tsy ny any irery no Bac mety hitera-doza fa ny rehetra mihitsy indrindra ny any Atsimo Atsinanana izya efa simba daholo kanefa tsy misy ny fanatsarana sy ny fanavaozana tao anatin’ny 7 taoan » hoy i Veronica, mponina any Mananara.

Mila raisina noho izany ny andraikitra satria ain’olona no tandindomin-doza kanefa fivelomana ihany koa io. Iza anefa no tompon’andraikitra ?

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire