ActualitésTatitra

Maurice : Namoaka sary voalohany mikasika ny « Réserve Golf Links » ny Heritage Golf Club

Andrasan’ny maro ao amin’ny nosy Maurice ny fisokafan’ny « Réserve Golf Links » ny Heritage Golf Club ny volana desambra izao. Mamoaka ny sarin’izany toerana izany i Jacob Sjöman, izay pakasary matihanina iraisam-pirenen’ny lalao Golf. Midadasika ny toerana ary maneho ny hakanton’ny helodrano sy ny morontsiraka atsimon’ny nosy.

I Louis Oosthuizen, tompon-daka ny Open teo aloha sy ny mpanao mari-trano malaza Peter Matkovich kosa no namolavola ny toerana. Hita ao anatin’izany ireo « parcours de golf » mahavariana sy sarotra saingy azo atao soa aman-tsara. Ao amin’ny Bel Ombre Nature Reserve kosa no ahitana ny toerana ary ny « parcours de championnat » faharoa ao aminy dia voadidina zavamaniry mirefy 81 hektara izay mandrobona sy voajanahary.

Nilaza kosa ny talen’ny Heritage Golf Club, Jonathan Menteath fa ho isan’ireo toerana filalaovana Golf tsara indrindra eran-tany io toerana io.

Laisser un commentaire