SSMAF : Handray anjara ihany koa ny mpikirakira ny tambajotran-tserasera
Ao anatin’ny fanomanana ny hetsika SSMAF amin’izao fotoana izao. Ao anatin’izany indrindra, misy ihany koa ireo hetsika izay afaka handraisan’ny mpikirakirana ny tambajotran-tserasera anjara, amin’ny alalan’ireo fifaninana ataon’ny mpanatalenta, araka ny voalaza.
« Ao anatin’ny fizarana ny hetsika, ao amin’ilay art et music festival, dia hisy ny fifaninana an-jotra izay ho alefa amin’ny tambajotran-tserasera facebook. Amin’ny alalan’izany da afaka mandray anjara avokoa ireo mpanatalenta ary afaka maneho ny fahaizany na resaka ara-kolotoraly io na mozika na dihy ihany koa » hoy ireo mpikarakara ny hetsika SSMAF.
« Ankoatra izay, ao anatin’ny resaka an-jotra hatrany dia hisy ihany koa ny challenge “SSMAF Zah”. Ireo no natao dia mba hanomezana fahafaham-po sy hampandraisana anjara ny rehetra » hoy hatrany ny fanazavana.
Marihina fa ao anatin’ny hetsika SSMAF dia sasy misy ny fialamboly, misy ihany koa ny fifaninana, fampisehoana sy fizarana ny talenta. Amin’ny faran’ny hetsika rehetra dia misy ny mari-pankasitrahana omena ireo mpandresy.
Manitra R.
