Actualités

Miakatra hatrany ny kapoakan’ny vary.

Raha jerena  ny zava-misy eny an-tsena  ankehitriny dia tsy nitsaha-niakatra ny vidin’ny kojakojam-piaianana andavanandro,toy ny vary, marihana fa anaty vanim-potoana maintso ahitra izao isika eto Madagasikara. Tsy dia ahitana fihetsehiny firy anefa ny vidim-bary eny amin’ireo mpambongady na ilay antsaoana hoe eny am-potony fa ny mpaninjira no manapaka ny araky izay vidiny tian’izy ireo hapetraka. Araka ny hita eny an-tsena rehetra eny dia efa ho 800 ariary ny kapoaka ny ary gasy sy ny makalioka ary 600 ariary kosa ny stock. Tsy vitan’ny hoe efa miakatra ny vidim-bary fa misy amin’ireo mpivarotra no mbola mampiasa kapoaka tapaka ka mampikaikaika ny mpanjifa satria  efa lafo kanefa mbola tsy ampy fatra. Efa nisy ny famorian’ny ministeran’ny varotra sy ny indostria ary ny asa-tanana ireo ratsa-mangaika isan-karazany toy ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa, ny avy ao amin’ny kaominina, ny amin’ny fitsirihina ny vidim-bary sy ny tahirim-bary eny amin’ny mpambongady sy mpanjinjara mba hijery ireo kapoakam-bary eny an-tsena.   

Fifaliana Randrianasy


Laisser un commentaire