JIRAMA : Mbola Mitaraina Manoloana ny Fiakaran’ny Vidin-jiro ny Mponina.
Tsy vitsy ireo mpampiasa ny herin’aratry ny Jiro sy rano Malagasy no mitaraina manoloana ny fiakaran’ny vidin-jiron’izy ireo nefa tsy mahazo fanazavana mahakasika izany. Tsy vao sambany izao no misy ity tranga ity.
Taorian’ny nampiaran’ny JIRAMA ny lamina vaovao amin’ny vidin-jiro sy rano, mifanohitra ny dona miverina azo avy amin’ireo mpanjifa. Ao ireo mankasitraka izany noho ny fahitany ny vidin-jiro nihidina, ao kosa no mifanohitra amin’izay. Raha tsiahivina dia efa nisy ny antso avo nataon’ny teo anivon’ny JIRAMA, tamin’ny taon-dasa, ny hametrahana lamina vaovao mahakasika ny vidin-drano sy ny vidin-jiro eto Madagasikara. Na izany aza anefa, sokajian’ireo mpanjifa ho tsy mitombina ny vidin-jiro alohan’izy ireo isam-bolana. Tsy nahitam-piovana ny fitaovana fampiasa ao an-trano nefa ny vidin-jiro tsy mitsaha-miakatra.
Ao amin’ity rafitry ny vidin-jiro sy rano vaovao ity anefa, dia manao ezaka amin’ny fampidinana ny vidin’ny herinaratra hatrany ny JIRAMA, ho an’ny ankamaroan’ny mpanjifa. Mametra-panontniana arak’izany ny mpanjifa ny amin’ny mety ho antony mampidangana ny vidin’ny herinaratra aloan’izy ireo na dia efa misy aza izay rafitra izay.
Volantsoa Felaniaina
