Firenena Mikambana eto Madagasikara sy ny Kere any Atsimo
Androany no andro natokan’ny firenena mikambana eto Madagasikara andefasana ny antso vonjy “flash appeal” ho fanampiana ireo kere any atsimo. Vola mitentina 75,9 tapitrisa dollar (288 000 tapitrisa ariary) no ilaina hanamaivanana ny voina mihatra amin’ny mponina any an-toerana.
Raha atao jeri-todika, maherin’ny 1,14 tapitrisa ny olona ianjadian’ny tsy fanjarian-tsakafo, mila fanampiana maika any amin’ny faritra atsimo. Salan’isa izay navoakan’ny relief web tao amin’ny pejiny ny volana desambra lasa teo. Distrika roa no efa miatrika ny tsy fanjarian-tsakafo sokajiana ho avo lenta, raha enina kosa no mandalo crizy mafy amin’ny tsy fahampian-ko hanina. Raha ny tatitry ny relief web hatrany, manodidina ny 135 470 ny zaza latsaky ny dimy taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo mahervy vaika raha 27 130 kosa ireo miady amin’ny fahafatesany vokatr’izany. Taorian’ny fanadihadiana nataon’ny PAM tao amin’ny distrikan’Amboasary, ny volana oktobra 2020, manga sy voamailo no foton-tsakafon’ireo mponina any an-toerana. Maro noho izany ireo mpitsoa-ponenana noho izay tranga izay.
Efa tamin’ny taon-dasa ny firenena mikambana eto Madagasikara no naminavina ny handefa antso vonjy “flash appeal”, ho fanampianarana ireo kere any atsimo. Antaonany maro no nisian’ny “flash appeal” ataon’ireo firenena mikambana manerana an’izao tontolo izao. Ho an’I Madagasikara, ny tetik’asa izay vatsian’ny “flash appeal” dia hanohanana ny fandrindrana sy ny ezaka any amin’ireo fadiranovana ara-tsakafo. Anisan’izany ny ivon-tsakafo sy ny fanarenana ara-pahasalamana. Tetsy Anosy no nanatanterahana ny fanambarana ofisialy, androany, 18 janoary 2021, raha ny loharanom-baovao. Aharitra hatramin’ny volana May 2021 kosa ny fanangonana ireo fanampiana.




