Etats-Unis : Efa ho 900 isa ny olona nohelohina ho faty tamin’ny taona 2022
Raha ny tatitra nataon’ny Amnesty International, mpiaro ny zon’olombelona dia olona efa manakaiky ny 900 isa ny olona nohelohina ho faty tamin’ny taona 2022. Nahatratra 883 izany raha ny fanazavan’izy ireo izay mitsinjara amin’ny firenena 20. Isany nahitana betsaka indrindra tamin’izany tao Moyen-Orient sy Afrique du Nord hoy ny tompon’andraikitra.
Antontan’isa avo indrindra hatramin’ny 5 taona lasa io voarakitra io raha ny fanamafisan’ny Amnesty International ary niakatra 53% ny tahan’izany raha noharina tamin’ny taona 2021. Tao Iran manokana dia tafiakatra 576 ny antontan’isa tamin’ny taona 2022 raha 314 izany ny taona 2021. Nitombo avo telo heny ihany koa izany tao Arabie Saoudite (65 lasa 196) ary olona 24 no nohelohina ho faty tao Egypte ny taona lasa teo hoy i Agnès Callamard, sekretera jeneraly ny Amnesty International.
