ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy: Lehilahy iray maty voahitsaky ny camion lehibe

Nisehoana lozam-pifamoivoizana mahatsiravina tao Ambohitrarahaba, Ankadikely Ilafy, ny faran’ny herinandro teo. Lehilahy iray nitondra bisikileta no maty tsy tra-drano, voahitsaky ny kodiaran’ny fiara lehibe iray ny lohan’ity farany, raha ny voalaza.

« Nampihorin-koditra ny zava-niseho teto Ambohitrarahaba. Tena ilaina ny mitandrina amin’ny fiainana fa tsy mampilaza tokoa ny loza ary tokony ho mailo hatrany eny an-dalana eny » hoy i Tojo, mpivarotra eo amin’ny manodidina.

« Na dia tsy mampilaza aza ny loza dia ilaina hatrany ny mitandrina, indrindra ny fanajana ny lalànan’ny fifamoivoizana eo amin’ireo mpampiasa ny lalana, dia ny mpamily sy ireo mpitondra tongo-droa » hoy i Hanta, mponina ao Ambohitrarahaba.

Natao mba ho anatra sy fampitandremana ny rehetra ny loza tahaka izao. Nampametra-panontaniana ny maro, manoloana ity tranga ity anefa ny mahakasika ny fandehan’ity fiara lehibe ity ny atoandro, raha tokony ny alina ihany no fotoana ahazoan’izy ireo mivezivezy.

Manitra R.

Laisser un commentaire