ActualitésTatitra

Grèce : Miamboho ny mpanjaka Constantin II

Niamboho ny talata 10 janoary teo, teo amin’ny faha-82 taonany ny mpanjakan’ny Hellènes taloha Constantin II. Tao Athènes no nodimandry io mpanjaka io ary fahatapahan’ny lalan-drà tao amin’ny loha na « attaque cérébrale » no nitarika ny fahafatesany raha ny fanazavana.

Raha tsiahivina dia ny taona 1964 teo amin’ny faha-23 taonany i Constantin II no niakatra teo amin’ny fiandrianana. Ny taona 1967 kosa izay no nifarana ary nifindra tao Londres izy ny taona 1968. Taona maro taorian’izay indray izy vao niverina tao Grèce.

Marihana ihany koa fa i Constantin II no mpanjakan’i Grèce farany. Nofidiana ary lany tamin’ny fitsapankevi-bahoaka tamin’ny 70% ny vato tamin’ny taona 1974 mantsy ny fanafoanana ny fitondran’ny taranaka mpanjaka tao an-toerana.

Laisser un commentaire