Ambohimanambola : Hiatra tsy ho ela ny fandaminana vaovao ho an’ny fiara fitateram-bahoaka
Nanatanteraka fivoriana entina handaminana ny asa fitaterana ao an-toerana ny avy ao amin’ny kaominina Ambohimanambola sy ireo tomponandraikitra misahana ny zotra miasa ao an-toerana. ny 5 janoary lasa teo no vita ny fifanaovan-tsonia mahakasika izany, ka hiatra tsy ho ela ny rindran-damina vaovao mahakasika ny fitaterana, raha ny voalaza.
“Araka ny fivoriana sy ny fifanakalozan-kevitra ary fangatahana natao’ny avy eto anivon’ny kaominina dia tapaka fa hiampy ireo zotra fitaterana izay hiasa eto an-toerana ka tafiditra ao anatin’izany ny fandaminana mahakasika ireo zotra manodidina ny renivohitra” hoy ireo tomponandraikitra ao amin’ny kaominina.
“Ao anatin’izany indrindra dia toa izao moa ny fandaminana amin‘ireo lalan-jotra sy rafi-pitaterana ao anatin’izany. Ny zotra H, izay hampitohy an’Andravoahangy, Betafo ary Volombolorona; misahana izany ny KOFIAVA. Ho an’ny zotra I kosa, hampitohy an’Ambohimanambola, By-pass, Shell Ankadievo ary Fasika izay sahanin’ny KOFIMASY, J-TRANS, FIFITSA ary Volavita, toa izany ihany koa ny mampitohy an’Ambohimanambola, Bypass ary ny rond point Ambohimangakely” hoy hatrany ny fanazavana.
Efa ela niandrasana ny fandaminana tahaka izao moa ireo mponina ao an-toerana ary tanjona ny hanamora sy hanatsara ny lafin’ny fitaterana ao an-toerana. Hiatra manomboka amin’ity herinandro ity izany fandaminana izany, raha ny voalaza hatrany.
Manitra Ramanantsoa
