ActualitésTatitra

Belgique : Renim-pianakaviana iray tsy hita popoka

Tsy hita nanomboka ny 6 desambra teo i Lucia, renim-pianakaviana 31 taona. Tamin’io andro io dia nandeha niantsena tao amin’ny tranom-barotra « McArthur Glen » tao Messancy tao Belgique ny tenany, izay toerana farany nahitana azy. Tsy nandrenesana vaovao intsony momban’io renimm-pianakaviana io taorian’izany.

Amin’izao fotoana dia karohana fatratra i Lucia ary efa nanao fiantsoana amin’ny fikarohana azy ireo manam-pahefana. Nanomboka ny talata teo kosa nanomboka ny fikarohana manodidina ny fonenan’io vehivavy io ao Sterpenich, Arlon, ao amin’ny faritanin’i Luxembourg ireo tompon’andraikitra.

Nampanantsoana ary nohadihadiana kosa ny vadin’io vehivavy io manoloana ny tsy fahitana azy.

Laisser un commentaire