Literatiora : Tandindomin-doza ny famokarana boky manaja ny fenitra
Miataraina fatratra ireo mpanoratra boky enti-mampianatra sy manabe ny amin’ny hafitsok’ireo mpnaao boky sandoka sy ireo mpanao hosoka. Miseho amin’ny alalan’ny fanaovana dika mitovy ka mivarotra izany amin’ny vidiny mirary kokoa ireo mpivarotra ireo. Tsy ireo mpanoratra ihany fa eo ihany koa ireo mpanonta boky izay maty antoka amin’izany.
« Manomboka amin’ny 70 ka hatramin’ny 80% no faty antoka azonay noho ny hafitsok’ireo mpanao boky sandoka ireo. Hataon’izy ireo dika mitovy fotsiny ilay boky dia iny no mahatonga ny faty antoka satria mihena ny vidiny ka zary any ny olona no mividy boky rehefa tena tsy ampy ny enti-manana »? hoy ireo mpanonta boky.
« Ny mpianatra no tena mampiasa ny boky izay vokarinay. Lasa miteraka hakiviana ho anay eo amin’ny lafiny famoronana sy fikarohana ihany koa anefa izany tranga izany ka mampalahelo ireo ankizy sy tanora aty aoriana. Efa nisy ny ezaka natao ka efa mpanonta boky « Lauréat » hosoka miisa 20 mahery manerana an’i Madagasikara no efa voasambotry ny avy ao amin’ny « Brigade Anti-Piratage » nanomboka ny taona 2018. Nisy tamin’izy ireo no efa naiditra am-ponja vonjimaika », hoy i Ratsimaholizanany Fafy, fanta-daza amin’ilay boky « Lauréat Ratsimaholy».
« Tokony hamafisina ny fisamborana sy fanasaziana ireny mpamokatra boky hosoka amin’ny alalan’ny fanaovana dika mitovy, ny fanapariahana izany amin’ny tambajotra Facebook, ny fanaovana « plagiat » ny boky ireny », hoy ny Tale Jeneralin’ny Edition Le Lauréat.
Tsara moa ny manamarika fa mahavoasazy an-tranomaizina mandritra ny enim-bolana ka hatramin’ny roa taona miampy lamandy ny fanaovana boky hosoka. Entanina hatrany ihany koa ireo Ray aman-dreny mba hampiroborobo ny fikarohana malagasy ka hanjifa ny «original » hatrany.
Miora Raharisolo
