Royaume-Uni : Élisabeth II, mpanjaka naharitra ela indrindra teo amin’ny fitondrana
Teraka ny 21 Aprily 1926 tao Londres ny mpanjakavavy Élisabeth II. Mpanjakan’i Royaume-Uni, Grande Bretagne, Irlande du Nord izy ary manjaka amin’ny fanjakana 14 hafa antsoina hoe « royaumes du Commonwealth » sy ny faritaniny ary ny fiankinany. Lehiben’ny Commonwealth ihany koa izy izay fikambanana misy fanjakana efatra amby dimampolo ary governora fara tampon’ny Eglizy ao Angleterre.
Taorian’ny fahafatesan’i George VI tamin’ny 6 febroary 1952 izy no niakatra teo amin’ny fiandrianana. 25 taona monja ny tenany tamin’izany. Mbola nanjaka tamin’i Afrique du Sud, Australie, Canada, Ceylan, Nouvelle-Zélande, Pakistan ary Royaume-Uni ihany koa izy hatramin’ny nahazoan’ny sasany tamin’ireo ny fahaleovantenany.
Mpanjaka ela nitondrana indrindra tao amin’ny faritany Britannique i Élisabeth II. Izy no mpanjaka voalohany nankalaza ny faha 70 taona niandrianany.
