Ambohimanambola : Hisy ny fifaninana baskety
Hisy ny fifaninana basket izay tanterahina eny Ambomanambola ny alahady 21 aogositra 2022 ho avy izao. Marihina fa efa nisy ny fifaninana teo aloha ary efa lalao ampahaefa-dalana ity ho tanterahina ity hoy Alain, anisan’ireo mpikarakara.
Manomboka amin’ny 11 ora maraina ny lalao ary ny ekipan’ny jirama sy ny Ambomangakely no isantatra ny fifaninanana, ny ekipan’ny Mandroseza sy ny Alasora kosa no manohy ny lalao amin’ny ray ora tolak’andro, Ambomanambola sy Alasora amin’ny roa ora ary faranan’ny ekipan’Ambatobe sy Ambomanambola izany fifaninanana izany. Natao ity fifaninana ity mba hanandratana avo hatrany ny sehatra basikety baolina.
Famenontsoa Rajerison
