Allemagne : Claus von Stauffenberg, manam-boninahitra niady tamin’ny nazi
Ny comte Claus Philipp Maria Schenk von Stauffenberg dia manam-boninahitra tao amin’ny Wehrmacht (tafiky ny IIIè Reich). Teraka ny 15 Novambra 1907 tao Jettingen-Scheppach izy ary maty ny 21 Jolay 1944 tao Berlin. Endrika iray nanamarika ny fanoherana ara-miaramila ny nazisma ny tenany.
Tamin’i Claus von Stauffenberg lehiben’ny etamajoron’ny « Armée de réserve et de l’intérieur (Ersatzheer) » dia nandray anjara tamin’ny tetika nanoherana an’i Adolf Hitler. Nikarakara manokana ny fanafihana tamin’ny 20 Jolay 1944 izay niendrika fanonganam-panjakana ihany koa izy izay nantsoina hoe « opération Walkyrie ».
Olona naneho ny lafiny samihafan’ny sosialisma-nasionaly i Claus von Stauffenberg toy ny tamin’ny fanavaozana ny Fifanarahan’i Versaillessaingy nanosika azy nitolona ny heloka bevavan’ny fitondrana tao an-toerana nanomboka ny taona 1942.
