ActualitésTatitra

Inde : Mikasa hampiantrano ny « Jeux olympiques » amin’ny taona 2036 ny firenena

Nanao fanamabarana ny minisitry ny fanatanjahatena ao Inde, Anurag Thakur fa mikasa ny hampiantrano ny « Jeux olympiques d’été» amin’ny taona 2036 ny firenena. Fotoana mety izao hoy io tompon’andraikitra io. Malaza amin’ny sehatra maro toy ny famokarana sy ny tolotra i Inde amin’izao fotoana ka fotoana izao hanehoana izany eo amin’ny sehatry ny fanatanjahatena raha ny fanamafisany.

Marihina fa efa nampiatrano lalao iraisam-pirenena i Inde tamin’ny taona 1951 sy 1982 izay nanatontosaina ny « Jeux Asiatiques » sy tain’ny taona 2010 izay nanatanterahina ny « Jeux du Commonwealth ». Raha tsiahivina kosa dia natao tao New Delhi avokoa ireo lalao ireo izay toerana vinavinaina hampiantranoana ny JO 2036 ihany koa.

Laisser un commentaire