ActualitésTsidika

Miteraka asa ho an’ny manodidina ny tetik’asa Tanamasoandro

Isan’ny vina nataon’ny filoha nandritran’ny fampielezan-kevitra ny hananganana tanàna vaovao sy toeram-ponenana izay antsoina hoe « Tanamasoandro ». Efa manomboka ankehitriny ny asa eny Imeritsiatosika eny. Ny famaritana ny lalana no nanombohana ny asa fananganana izany Tanamasoandro izany.

Ho hita ao amin’izany tanàna vaovao izany ny biraom-panjakana, ny toeram-pitsaboana, ny kianja fanaovana fanatanjahan-tena sy fialamboly ho an’ny rehetra, ny toeram-ponenana, ny sekoly ary ny toeram-pambolena. Fanamby lehibe ny fahatanterahan’izao tetik’asa izao, hoy ny Minisitra lefitra misahana ny Tanàna vaovao sy ny toeram-ponenana, Zasy Michael Angelo. Tany mirefy 980 Ha no hametrahana ity tanàna vaovao ity ao amin’ny faritra Itasy. Ny 700 Ha amin’io no tanim-panjakana ary ny 280 Ha no an’ny olon-tsotra, raha ny tatitra nomen’ny Minisitera tompon’andraikitra. Efa nisy, araka ny nambarany, ny fifampidinihan’ireo tompon’ny tany sy ny fanjakana izay hijerena ny marimaritra iraisana. Misy ny tany lova, ary rariny tokoa raha sandaina manaraka ny vidiny izany, hoy ny mponina eny amin’ny manodidina. Eo tokoa no hitan’ny fitondrana fa toerana mora anaoavana ny asa fananganana ary hiteraka asa ho an’ireo mponina manodidina izany.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire