Australie : Toerana masina ny Uluru
« Relief en grès » ny Uluru na Ayers Rock izay 348 metatra ambonin’ny lemaka ary 335 km any atsimo andrefan’i Alice Springs. Ao amin’ny Territoire du Nord, ao afovoan’ny nosy Australie kosa no misy azy.
William Gosse et Edwin S. Berry no nahita ary nihanika io toerana io voalohany tany amin’ny taona 1873. Nomena ny anaran’ny praiminisitra sady lehiben’ny sekreteran’i Australie-Méridionale teo anelanelan’ny taona 1863 sy 1877 antsoina hoe Henry Ayers ny toerana, ho fanomezam-boninahitra azy.
Masina kosa ny Uluru ho an’ny mponina « aborigène » ao amin’ny faritra sy ny Pitjantjatjaras izay anisany Anangus. Ahitana loharano ao amin’io toerana io, lavabato ary « peintures rupestres ». Anisan’ny toerana nilofan’ireo mponina ireo io toerana io tamin’ny amin’ny arivo taona lasa tany.
Voasokajy ao amin’ny vakoka iraisam-pirenen’ny Unesco kosa ny Uluru. Nanomboka ny 26 oktobra 2019 dia tsy azo nihaniana intsony ny toerana.
