Fanamboarana ny lalana any ambanivohitra
Mbola fanamby lehibe eto Madagasikara ny fanamboarana ny lalana any amin’ny tontolo ambanivohitra
Làlana teo amin’ny 14 340 kilometatra no vita sy namboarina nandritra ny taona 2020 raha ny tatitra ara-toekarana ny « Madagascar 2021 : L’Emergence Malagasy ». Anisan’ny fanamby lehiben’ny minisiteran’ny fananjariana ny tany sy ny asa vaventy ny fampifandraisana ny tambajotram-pitaterana any ambanivohitra amin’izao fotoana izao satria izany no mampihena ny vokatra sy ny fampiasam-bola eo amin’ny fambolena sy ny fiompiana. Tsy izany ihany anefa fa mihena ny fidiran’ny ankizy any ambanivohitra any an-tsekoly noho ny faharatsian’ny làlana ary mitombo ny isan’ireo maty eny an-dàlana noho ny fahalaviran’ny tobim-pahasalamana. Na dia efa nisy aza ny findramana vola tany amin’ny banky iraisam-pirenena ny taona 2019 dia mbola tsy ampy hanaovana ny làlana any ambanivohitra izany fa ny lalam-pirenena tany Alaotra Mangoro, Anosy sy Atsimo Atsinanana no vita tamin’izany vola izany.
Nilaza tao amin’ny minisiteran’ny fananjariana ny tany sy ny asa vaventy fa efa làlana eo amin’ny 2 000 kilometatra eo no vita tara na « goudron » amin’ireo làlana 49 250 eto Madagasikara ary ny fanamby izay atao atsy ho atsy ny fanamboarana ny làlana any ambanivohitra mba hanamorana ny fiainan’ny mponina sy ireo tantsaha any amin’izy ireny. Ary nampiany fa hanomboka atsy ho atsy koa ny fanamboarana ny làlam-pirenena faha-6, faha-13 ary faha-12.
Ny làlana any amin’ireo mpamboly sy mpiompy tokoa no tokony ilana fanamboarana satria avy any ifotony any no hisian’ny vokatra izay ampiasaina aty an-drenivohitra ka tsy tokony hanana fahasarotana izy ireo ny hampiakatra ny vokany indrindra fa ny faharatsian’ny làlana mira mpandromba sy dahalo ka mba hisorohana iznay dia mila hafainganina ny fanamboarana ny làlana any ambanivohitra.
Anja Raharimalala
