ActualitésTsidika

Manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ao Toamasina

Mpifankatia niaraka teny amin’ny Bord Toamasina no nisy nanendaka ny harivan’ny enina ambin’ny folo aogositra tokony ho tamin’ny fito ora hariva.

Efa maro ireo mitaraina ny amin’ny fisian’ny mpanendaka eny amin’ny Bord ao Toamasina. Mitaintaina lava ireo mponina rehefa handeha eny nefa dia haka rivotra sy haka aina no anton-dia. Nahitana fanendahana iray indray manoloana ny Neptune. Raha ny fantatra, mpifankatia no lasibatr’ireo mpanaendaka ary vao avy nanao ny asa ratsiny ireto farany avy hatrany dia nandositra. Olona tsara sitrapo iray no nanao ny fanenjehana azy ireo ka tratra soa aman-tsara ny iray fa ny iray tafatsoaka. Efa eny am-pelatanan’ny Brigade de la Gendarmerie eny Toamasina ny raharaha raha toa kosa ka nanao antso ilay olona nahatratra ity olon-dratsy ity ny mba hanantonan’ireo mpifankatia eny amin’ny biraon’ny zandary.

Nahazo sitraka arak’izany ilay lehilahy mpanavotra nohon’ny faharisihany. ‘‘Olona toy izao no iliain’ny firenena, vonona ny hiady sy hiatrika ny mpanao ratsy’’hoy Jean Claude, anisan’ireo nanatri-maso. Fa ny mponina kosa dia nanararaotra nanao antso avo ny mba isian’ny Zandary hatrany eny amin’ny manodidina ny Bord ary mba hanatanteraka ny asany tsara ihany koa manoloana ny firongatry ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana.

Raha ny heno sy re eny rehetra eny, malaza ho tsy hita sy tsy tonga ara-potoana hatrany ny zandary rehefa antsoina amin’ny fisian’ny asa ratsy toy izao. Efa zary fahazarana izany ka tsy mahataitra ny vahoaka intsony. Ny tany anefa tsy milamina, efa tsy fantatra intsony hoe iza no olon-dratsy. Tsara raha asiana ‘‘fidinana ifotony’’ matetiteka eny amin’ny toerana malaza ho be mpanendaka. Fa ny fanontaniana manitikitika dia ny hoe: Aiza ho aiza ny mpitandro filaminana manoloana izao fihetsiky ny olon-tsotra izao ? Mila ezaka izy ireo.

Tsangy Randriamampianina

Laisser un commentaire