Nanao fianihanana ireo mpitsara handrafitra ny Haute Cour de la Justice
Ny volana jiona 2018 no nanambarana tamin’ny fomba ofisialy ny fijoroan’ny Haute Cour de la Justice. Fahefana ho an’ny fahombiazan’ny lalana sy ny fanatanterahina ny andraikitr’ireo mpisehatra politika tahakan’ny Filoham-pirenena sy ireo lehiben’ny andrim-panjakana maro samy hafa no tena atom-pisiany. Ny fikambanana sy ny fanarahana ireo dingana atao eo anoloan’izany HCJ izany dia voafaritry ny lalana organika : lalana laharana 2014-043 mifanaraka amin’ny HCJ.
Tontosa ny faran’ny herinandro teo ny fianihanana nataon’ireo mpitsara miisa sivy izay andrafitra ity HCJ ity. Arakany ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha-136 amin’ny lalam-panorenana,ny HCJ dia misy mpikambana iraika ambin’ny folo,ao anatin’izany ny filoha voalohan’ny fitsarana tampony,filoha roa ao amin’ny Chambre de la Cour de Cassation sy mpisolo toerana roa,filoha roa ao amin’ny Cour d’Appel sy mpisolo toerana roa,solombavam-bahoaka roa sy mpisolo toerana roa voafidy,ary loholona roa sy mpisolo toerana roa.
Raha ny nambaran’ireo mpahay lalana dia »araky ny andininy faha-133 amin’ny lalam-panorenana Malagasy,ny HCJ dia afaka mitsara ny Filohan’ny Repoblika ary koa ny filohan’ny antenimiera parlemantera,ny praiminisitra sy ireo mpikambana hafa ao amin’ny governemanta ary ny filohan’ny HCC izay tompon’andraikitra amin’ny heloka bevava eo anolohan’ny HCJ mandritrin’ny fepotoana iasany ary nahafeno fepetra ho heloka bevava na hadisoana tamin’ny fanaovana izany ».
« Hinoana fa mba tena hiasa tokoa ity HCJ ity fa tsy ho sarin-tsariny fotsiny ihany » hoy i Riandranto, mpianatra lalana.
Fanja Rakotoarisoa
