Jiolahy mpanakan-dalana tratra tamin’ny lalam-pirenena faha-2
Tra-tehaky ny zandary tany Brickaville ny jiolahy 8 mpanao sakan-dalana any amin’ny lalam-pirenena faha-roa.
Nanaovan’ny zandary velam-pandrika ireo jiolahy ka izany no nahatratrarana an’iretojiolahy 8 ireto rehefa nanao fisavana tampoka teny amin’ny lalam-pirenena faha-2 raha nandritra ny volana maromaro no tsy nahitana izao trangan-javatra izao dia niverina indray amin’izao fotoana izao. Ny 5 amin’izy ireto, mpamaky kamiao efa ela no nokarohina ary ny 3 kosa mpamaky fiara mpitatitra mpandeha ka ny iray amin’izy ireo lavon’ny balan’ny zandary rehefa nitsoaka.
Nilaza moa ny tao amin’ny zandarimariam-pirenena fa tsy handefitra intsony amin’ny fanakorotanana ny filaminam-bahoaka amin’ny lalam-pirenena ary hanamafy ny asa nampiandraiketina tamin’izy ireo indrindra fa tsy hitsitsy mihitsy. Ny mpamily mpitatitra entana sy mpandeha moa dia tena velon-taraina amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny an-dalana ateraky ny jiolahy mpanakan-dalana ary manantena hatrany ny hitohizan’izao hetsika ataon’ny zandary izao mba hiarovana azy ireo sy ny fananany.
Mbola manjaka hatrany ny tsy fahandriam-pahalemana manerana ny nosy na dia efa maro aza nyezaka ataon’ny mpitandro ny filaminana sy ireo zandary indrindra ny fitondram-panjakana kanefa ilaina koa ny fiaraha-miasa ny vahoaka amin’izy ireo mba ahafantarana ny vaovao eny ifotony ka hanamora ny asan’izy ireto. Tsy tokony hanana ahiahy noho izany izay manana loharanom-baovao fa tonga dia hampandre ny manam-pahefana akaiky azy ireo haingana mba hisorohana ny loza sy ny asa ratsy.
Anja Raharimalala
