Feno 130 taona ny CenHoSoa
Feno 130 taona amin’ity taona 2021 ity no nijoroan’ny Centre Hospitalier de Soavinandriana na « Girard et Robic » izay niantsoana azy taloha ho fahatsiarovana an’ireo mpitsabo frantsay roa.
Ny 13 aogositra 1891 no nananganan’i Ranavalona III sy ny praiminisitra Rainilaiarivony ity hopitaly ity ary izy no hopitaly voalohany teto Madagasikara talohan’ny dispansera eo Analakely izay nisokatra ny taona 1864. Nanokafana ny lanonana fankalazana moa ny fisaorana an’Andriamanitra tao amin’ny fiangonana loterana ao amin’ny hopitaly ihany izay natrehan’ny manam-pahefana maro toy ny minisitry ny fiarovam-pirenena sy ny mpitsabo maromaro. Nanamarika ity fankalazana ity moa ny fanatsarana ny sampana fandraisana vonjy taitra eo anivon’ity hopitaly miaramila ity. Mandray an-tanana ny mpiasam-panjakana rehetra moa ity hopitaly ity ary mandray ny olon-tsotra ihany koa izany hoe ho an’ny sarababem-bahoaka izy ny hopitaly.
Anisan’ny hopitaly izay manana ny fitaovana tsara sy mahomby indrindra eto Antananarivo ny hopitaly miaramila Soavianandriana raha ny filazan’ny mpitsambo. Nanao teny fankeherezana ireo mpitsabo sy ny ao amin’ny sampan-draharaha amin’ny fitsaboana homamiadana ary ny tompon’andraikitra samihafa amin’ny ady atao amin’ny valanaretina Covid-19 ny minisitry ny fiarovam-pirenena. Nihanivoatra hatrany ny hopitaly taorian’ny nitsanganany ary niovaova arakaraky ny mpitantana azy koa ny anara’izy ity ary farany dia izao lasa hopitaly miaramila izao no niantsoana azy hoy ny tale jeneran’ny hopitaly, Profesora jeneraly Rakoto Fanomezantsoa.
Hopitaly iray izay tena manana ny lazany ny hopitaly miaramila raha oharina ny hopitaly sasany ary mamaly filan’ny vahoaka indrindra fa efa maro sampana eo amin’ny lafiny fitsaboana izay efa misy amin’ity hopitaly ity toy ny sampan-draharaha fitsaboana ny homamiadana, fitsaboana ny aretin’ny fo sy ny lalan-dra. Azo lazaina ho ain-dehibe ny fitsaboana eto Madagasikara mihitsy ity hopitaly ity.
Anja Raharimalala
