Nigéria : Ngozi Okonjo-Iweala, vehivavy voalohany mitantana ny fikambanam-barotra eran-tany
Manamarika ireo mponina ao Nigéria ny fanendrena an’I Ngozi Okonjo-Iweala hitarika ny fikambanam-barotra eran-tany na ny OMC, ny alatsinainy 15 febroary. Isan’ny andrim-panjakana matanjaka indrindra manerantany ny OMC. Tsy dia nahagaga ny firenena mikambana intsony ny fahalanian’i Ngozi Okonjo-Iweala. Izy irery ihany no nirotsaka ho fidiana ny 5 febroary lasa teo. Ny tapaky ny volana may 2020 no nanambarana ny fialan’ny filoha jeneralin’ny OMC, ilay Brésiliana Roberto Azevedo. Nohon’ny antony manokana hoy ity filoha teo aloha ity no nialany tsy hitantana ny OMC intsony. Nifanindry tamin’ny fanombohan’ny asany vaovao ny fialany tsy ho filoha jeneralin’ny OMC intsony. Betsaka ireo manontany tena mahakasika ny antony mety nialan’I Roberto Azevedo tamin’io toerany io, nefa mbola tsy tapitra ny fotoam-pitondrany.
