Asie sy Océanie : Mandaitra ny ady amin’ny Coronavirus.
Manentana ny ao Europe ny firenena ao Asie sy Océanie hampihatra ny drafitra “Zéro Covid”. Nilaza ny manampahaizana fa efa nahita vokatra amin’izany ny ao Asie sy Océanie. Manana tanjona ny hanena ho tsy misy trangana coronavirus intsony any amin’ireo faritra maro sy firenena maro izy ireo. Hita fa mahomby izany drafitra izany noho ny fandraisana andraikitra dieny mialoha raha vantany vao miseho ny tranga. Fepetra hentitra no raisin’izy ireo amin’izany. Ao Auckland ohatra, miditra avy hatrany amin’ny fihibohana izy ireo mandritran’ny telo andro nohon’ny fahitana tranga coronavirus miisa 3. Atao haingana izay hisorohana azy mba hiverenana haingana amin’ny fiainaana andavan’andron’ny mponina. Mandeha tsara ny fiainana any amin’ireo toerana tsy ahitana tranga. Manana tombotsoa betsaka ireo firenena izay mampiasa azy. Anisan’izany ny ao Nouvelle Zélande, Australie, Chine, Taïwan, Viet-Nam. Ny any Océanie, izay anisan’ny faritra tsy ahitana firy fahafatesana be loatra noho ity valan’aretina ity.
