France : Mpamily fiara vaventy iray no nosy nanindron’antsy in-80
Mpamily fiara vaventy iray sendra niato tao «zone Kilomètre Delta » ao Nîmes tao Gard, izay toeram-piantoana fiara vaventy maro no nahatsikaritra fofona hafahafa. Rehefa nikaroka ny fiavian’ny fofona izy dia nahatsikaritra fa avy tamin’ny fiara vaventy iray hafa izany.
Raha ny fanazavana dia efa andro maromaro io fiara io no tsy nihetsika teo amin’io toerana nisy azy io. Rehefa nosokafana kosa ny varavarana dia vata-mangatsiakan’ilay mpampily no hita. Niantso ny manam-pahefana avy hatrany ilay lehilahy nahita ny razana ary rehefa natao ny fizahana dia fantatra fa voatsindron’antsy in-80 io niaram-boina io. Nahitana marika fanakendana ihany koa izy raha ny fanamafisana.
Raha ny tatitry ny manam-pahefana dia avy ao Ukraine io lehilahy namoy ny ainy io, 51 taona ary « immatriculé » ao Lituanie ny fiara nentiny. Mbola tsy fantatra mazava kosa ny anton’io vono olona io ary manohy ny fanadihadiana ny tompon’andraikitra.
