Nouvelle-Zélande : Nipoaka ny basy ora vitsivitsy tsy niandohan’ny lalao fiadiana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra vehivavy
Nanomboka omaly 20 jolay ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra ho an’ny vehivavy ary tsy hifarana raha tsy ny 20 aogositra 2023. Raha tsiahivina dia i Nouvelle-Zélande sy Australie no mampiantrano ny lalao. Ireo Néo-Zélandaise indrindra no nanokatra ny lalao niaraka tamin’i Norvège omaly.
Tao amin’ny Eden Park no notontosaina ny fifaninana izay toerana manan-tantara ho an’ny taranja Rugby sy ny All Blacks ao an-toerana. Ora iray tsy niandohan’ny lalao nefa dia raikitra ny fifampitifirana tao Auckland. Olona telo no namoy ny ainy vokatr’izany ary enina kosa no naratra. Raha ny fanazavan’ny lehibe ny polisy, Sunny Patel dia isan’ireo maty ilay nitarika ny fifampitifirana. Tsy fantatra mazava kosa hatreto ny anton’izany.
Tsy nahasakana ny fanombohana ny lalao nefa io tranga io. Raha ny tatitra dia mbola nahatratra 37 000 ny mpijery io andro voalohan’ny fiadiana ho tompondaka eran-tany ny baolina kitra ny vehivavy io. Ny alahady 23 jolay izao kosa no hotontosaina ny lalao manaraka izay hifanatrehan’ny ekipan’i France sy Jamaïque.
