SocialTatitra

Espagne : Nahitana « météore » teny amin’ny lanitra

Nahitana tain-kitana (météore) tao amin’ny lanitr’i Grenade sy Jaen, any Andalousie, Espagne, ny alin’ny alahady teo. Ireo tsara vintana no nahatsikaritra azy ity ary nosokajian’ireo manam-pahaizana momba ny habakabaka ho SPMN140424 ity tain-kitana ity. Nanjelatra noho ny taratry ny diavolana ny hazavan’ity météore ity. Saika nahita izany avokoa na ireo tanàna mitoetra any amin’ny 400km miala ny tanànan’i Espagne aza. Olona maro no afaka nijery izany, niaraka tamin’io tain-kitana io dia nisy tranga hafa ihany koa niseho teny amin’ny lanitra.

Laisser un commentaire