Seychelles : Nitombo ny velaran’ilay nosy vaovao
Nosy iray no nipoitra manodidina ny Atoll Farquhar tao Seychelles taorian’ny rivodoza tropikaly Fantala tamin’ny volana aprily 2016. Nomen’ny orinasa IDC (Islands Development Company) ny anarana hoe Derrick’s Sandbank izany.
Nitombo kosa ny velaran’ny nosy raha ny tatitrin’ny ONG Island Conservation Society (ICS). Raha ny angon-drakitra farany tamin’ny taona 2016 dia 0,3 hektara ny velaran’io « banc de sable » io raha mahatratra 7,8 hektara kosa izy amin’izao taona 2023 izao. Efa manomboka misy zava-maniry ihany koa ao amin’izany raha ny fanamafisan’ny talen’ny ICS, Gregory Berke.
Isan’ny maniry ao amin’io nosy io ny « bwataba » izay voasakojy ho « pionnière prédominante », eo ihany koa ny hazo « héliotrope ». Ankoatra ny zava-maniry dia vorona maro ihany koa no efa mitoetra ao amin’ny Derrick’s Sandbank.
