Kaominina Ankaraobato : Nisitraka jiro ny mponina ao an-toerana
.Napetrakin’ny teo anivon’ny kaominina entina hanazavana ny tanàna. Antokin’ny fandrosoan’ny tanàna tsikelikely ny fandraisana andraikitra toy izao. Fiaraha-miasa amin’ny vahoaka no nahafahana nanao hetsika izao. Fiaraha-miasa izay manosika ny kaominina hampiasa ny volam-bahoaka. « Tamberin’andraikitra ,noho ny hetra izay natolotrin’ny mponina ,eo amin’ny kaominina » hoy ny avy ao amin’ny kaominina.
Miantoka ny fandriam-pahalemana ny fahazavana ao anatin’ny kaominina iray. Mitarika fahatahorana ho an’ny mponina ao an-toerana ny mody alina noho ny haizina. Misy ny olon-dratsy izay tena mahazo vahana tokoa eny amin’ny toerana izay maizina sy mangina. « Miezaka hatrany isika amin’ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana ka nahatonga antsika nametraka indray jiro amin’ireo toerana izay tena fanaovan’ireo mpanao ratsy ny asany. », hoy hatrany ny fanazavana.
Tokony hazoto handoa hetra foana ny olona mba ahafahana manantanteraka hetsika toy izao. Adidin’ny olom-pirenena tsirairay ny mandoa hetra. Io vola aloha io ihany no entin’ny kaominina hampivoarana ny tanàna. « Hitohy amin’ireo fokontany hafa izao ezaka izany izay marihina fa volan’ny kaominina ankaraobato madiodio mahafinaritra ny mandoa hetra fa mandray anjara hampandroso tanana. » arakan’ny nambaran’ny tomponandraikitra.
Mifampiankina ny vahoaka sy ny ben’ny tanàna mba hanafaingana ny fandrosoana. Tokony hiara-misalahy hatrany ny mponina sy ny mpitondra ao, hifampidinika amin’ny fampandrosoana ny tanàna. Efa misy ny ezaka atao toy ny fanentanana ny olona , ny fampafahantarana ny olona ny vokatsoa amin’ny fandoavana io vola ao anatin’ny kitapom-bolan’ny kaominina.
Erwan RAN
