Manakara : Efa nody any amin’ny fonenany avokoa ireo tra-boina nafindra toerana talohan’ny rivo-doza
Araka ny efa fantatra dia nitondra takaitra betaka tamin’ny mponin’i Manakara ny rivo-doza Freddy iny ka noho izany dia betsaka ireo traboina. Efa am-polony ireo toerana nosokafana handraisana ireo traboina. Toerana isan-karazany ary foto-drafitr’asa matanjaka izany handraisana ireo traboina izany.
« Sekoly, fiangonana, toeram-pivavahana isan-karazany no natao handraisana ireo traboina ireo amin’izao fotoana izao. Voalohany indrindra dia ireo izay akaiky ranomasina no noraisina tao ary amin’izao fotoana izao dia efa voaray avokoa ireo traboina rehetra vokatra iny rivo-doza iny », hoy ny Tompon’andraikitra avy any an-toerana.
« Raha ny fahitako azy aloha dia tsy dia nisy loza betsaka ho an’ny toeram-ponenana nateraky ny fandalovan’ny rivo-doza. Tsapa hoe efa mailo avokoa ny olona ka samy efa tsara fiomanana daholo. Izahay izao efa tany amin’ny toerana fandraisana ny traboina nanomboka tamin’ny talata maraina saingy efa tafody soa aman-tsara satria tsy dia betsaka ny fahasimbana », hoy i Jean Paul, mponina ao Manakara.
Ankoatra an’i Manakara anefa dia namela takaitra ho an’ny Ambositra sy Fianaranatsoa ihany koa iny rivo-doza iny. Ny fotoana toa ireny no ilaina ny fahamailoana fara-tampony satria tao Fianarantsoa dia nisehoana vaky trano nandritra iny rivotra be iny no namaky trano ny jiolahy, nogoahiny ny rindrina mangazay iray tao Bateravola. Mankahery ireo traboina sy ireo rava fananana araka izany ary manantena ny fiarah-mientan’ny vahoaka rehetra amin’ny fifanampiana.
Miora Raharisolo
