Equateur : Red-lipped batfish, trondro be lokomena
Ny « Red-lipped batfish omena ny anarana siantifika hoe “Ogcocephalus darwini” dia karazana trondro ramanavy. Ao amin’ny Nosy Galapagos ao Equateur no tena misy azy. Anisany karazna trondro tena manakaiky azy kosa ny « Ogcocephalus porrectus » izay hita any amin’ny Nosy Cocos any amin’ny morontsirak’i Costa Rica.
Miavaka amin’ny endriny io trondro io. Miloko mena toy ny mihosotro lokomena mantsy ny molono. Malamalama ny hoditr’io trogo io, fisapisaka izy ary eo amin’ny 40 santimetatra eo ny halavany. Miloko volondavenina misy pentina volontany mazava kos izy.
