SocialTatitra

Zachary Horwitz, mpilalao horonantsarin’i Hollywood voasambotra taorian’ny asa fisolokiana nataony

Voasambotra tao Los Angeles, ny talata 6 aprily i Zachary Horwitz fantatra amin’ny anarana hoe Zach Avery, 34 taona, mpilalao horonantsary ao Hollywood. Fisolokiana avo lenta, mananika ny 690 tapitrisa dolara (manodidina ny 2 760 000 tapitrisa ariary) no hiampangana azy hoy ny mpampanoa lalàna ao Californie sy ny mpiandraikitra ara-bola amerikana na SEC. Manana orinasa mpandefa sarimihetsika antsoina hoe 1inMM Capital andriamatoa Horwitz. Raha ny fantatra, mandainga ho mividy ny fahazoan-dalana handefa ireo horonantsary alefan’ny orinasany izy saingy ny anaran’ireo mpandefa malaza toa an’i Netflix na HBO no tonony any amin’ny tompona horonantsary. Nanditra ny 5 taona no nanaovan’andriamatoa Horwitz io asa fisolokiana nataony io ka izy izao tratra izao. Voasazy handoa honitra amin’ireo orinasa notononiny anarana araka izany andriamatoa Horwitz. Mitentina 690 tapitrisa dolara isaky ny orinasa no tokony alohany raha ny lalàna. Mbola misy lelavola 227 tapitrisa dolara (manodidina ny 908 000 tapitrisa ariary) ihany koa tsy voalohan’andiamatoa Horwitz, mifandray amin’ity raharaha ity ihany hoy ny fitsarana californiana. Mety hiampy sazy 20 taona antranomaizina ihany koa ny hetsika fisolokiana tahaka izao hoy hatrany izy ireo.

Laisser un commentaire