ActualitésTatitra

France: Notsaraina ny herinandro lasa teo ilay vehivavy nanolana ny zaobaviny

Vehivavy iray 36 taona no notsaraina tao Toulouse ny herinandro lasa teo noho ny fakana an-keriny, fanaovana herisetra, vono, fampijaliana tamin’ny fomba feno habibiana ary fanolanana ny zaobaviny, 30 taona. Teo anelanelan’ny 2017 sy 2019 no niseho io tranga io. Nilaza io niaram-boina io nandritra ny fandraisam-pitenenany tao amin’ny fitsarana fa voatsatok’antsy izy, nosemporina tao anaty rano, nakapoka tamin’ny rindrina, nodorana, nokendaina sns. 

Manoloana ny tranga dia voaheloka higadra 17 taona ilay vehivavy nanao io herisetra io. Fantatra ihany koa fa efa nanao herisetra tamin’ny zanany naterany izy ary efa nigadra noho ny fakana an-keriny. 

Voaheloka am-ponja 3 taona noho ny firaisana tsikombakomba kosa ny rahalahiny izay vadin’io niharan’ny herisetra io. 

Laisser un commentaire