Etats-Unis : Hisehoana trangan’aretina hafahafa ireo mpitsikilo
Misy aretin’ny loha hafahafa mazaho ireo mpitsikilo (services de renseignements) américain amin’izao fotoana. Tompon’andraikitra miisa 200 avy ao amin’ny CIA, FBI, departemantan’ny fanjakana sy ny filan-kevim-piarovana nasionaly no tratran’izany raha ny fanazavana. »Syndrome de la Havane » kosa hoy ireo manam-pahaizana no mahazo ireo olona ireo. Maneho soritr’aretina toy ny maloiloy, fanina, tebiteby, fikorontanana ara-pahitana sy ara-tsaina ary aretin’andoha izany. Tao Cuba no nahitana io tranga io voalohany tamin’ny taona 2016 hoy izy ireo ary nihitatra tao Vienne, Berlin, Moscou, Bogota ary Taïwan izany.
