Maroc : Naato ny sidina mankao France
Nanapa-kevitra ny hampitsahatra ireo sidina rehetra makao France i Maroc manoloana ny firongatry ny valan’aretina indray. Te hisoroka ny fihanaky ny valan’aretina ao Maroc ny governemanta rehefa nahita fa ivon’ny valan’aretina indray i Europe. Marihina fa efa mihatony ny aretina ao Maroc aey efa nanamaivana ny fepetra ara-pahasalamana izy ireo.Mailo ihany nefa ny fitondram-panjakana ka nahato ny 26 novambra teo ny sidina makao France. Ireo sidina avy ao France makao Maroc kosa dia ny 28 novambra teo vao nifarana. Tsiahivina fa efa nampiato ny sidina makao Allemagne, Pays-Bas, Royaume-Uni ary Russie ihany kosa izy noho io trangana valan’aretina io ihany.
