Tsy fanjarian-tsakafo: Nidina 39, 8% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo teto Madagasikara
Nahitana fivoarana ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo teto Madagasikara, raha ny tatitra navoakan’ny banky iraisam-pirenena. Raha ny tarehimarika ofisialy navoakan’izy ireo dia nahatratra 50,1% ny tahan’ny tsy fanjarian-tsakafo teto Madagasiakra ny taona 2008, ary noho ny ezaka maro samihafa natao dia nidina ho 39,8% izany tarehimarika izany ny taona 2021.
« Tao anatin’ny 3 taona farany no voalaza fa tena nahitana ny ezaka nataon’i Madagasikara amin’ireo karazana vahaolana maro isan-karazany, indrindra ny fijerena manokana ireo faritra Atsimo izay tena hianjadian’ny kere. Izany dia noho ny ezaka niarahan’ny fitondram-panjakana sy ny Banky Iraisam-pirenena » hoy ny avy ao amin’ny fitondram-panjakana. « Mankasitraka manokana noho ny ezaka nataon’i Madagasikara. Misy fanampiana ara-bola mitentina 85 tapitrisa Dolara fanampiny hanohizana hatrany ny ezaka efa natao » hoy ny avy ao amin’ny Banky iraisam-pirenena.
Mitohy tokoa ny ezaka efa nataon’ireo mpitondra teo aloha sy amin’izao. Hirariana ho foana tanteraka eto amintsika izany tsy fanjarian-tsakafo izany.
Nicole Rafalimananjara
