ActualitésTsidika

 Lavanila : 250 USD ny vidin’ny lavanila farany ambany amin’ny tsena iraisam-pirenena

Nifanatrika tamin’ireo mpandraharaha mpandray ny vokatra lavanila malagasy tany Paris ny delegasiona misahana ny varotra sy ny lavanila eto Madagasikara. Marihana fa andro vitsy sisa dia hisokatra ny taom-piotazana lavanila any amin’ny Faritra Sava sy Analanjirofo.

« Tsy toy inona akory ny vidy farany ambany 75 000Ar (latsaky ny 20 USD) hivarotan’ny mpamokatra ny iray kilao amin’ny lavanila maitso raha atao ny kajikajy amin’ny lanjan’ny lavanila vokarin’ny mpamboly iray isan-taona. Ho fametrahana izay vidim-bokatra koa no antony hamerana ho 250 USD ny vidy farany ambany andafosana ny iray kilao amin’ny lavanila malagasy eo amin’ny tsena iraisam-pirenena » hoy ny Minisitry ny varotra, Razafindravahy Edgard. « Hosintonina amin’ireo mpanondrana lavanila tsy manaja ny vidy farany ambany 250 USD ny fankatoavana. Hojeren’ny fitondram-panjakana koa ny sazy famaizana fanampiny hampiharina aminy », hoy hatrany ity Ministra ity nandritra ny lahateny fanokafana ny dinika tany Paris tamin’ny alatsinainy.

Sehatra iray voalohany manana anjara toerana lehibe eo amin’ny toe-karena eto amintsika tokoa ny lavanila. Tsara raha ao anatin’ny mangaraharaha hatrany no hitantanana ny vidiny ary tsy hisy ny fanararaotana eny ifotony.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire