ActualitésTatitra

Comores : Vitsy ny mponina mampiasa fanafody ao Mayotte

Fikambanana  « éco-organisme » manangona sy manombam-bidy ny fanafody tsy ampiasain’ny tokantrano intsony ny Cyclamed. Tsy misahana ny fanafody any amin’ny hopitaly sy toeram-pitsaboana biby kosa izy ireo.

Ao Mayotte ny Cyclamed amin’izao fotoana ka nanome antsipiriany momba ny fampiasana ny fanafody ao amin’ny nosy ny filohan’ny fikambanana, Thierry Moreau Defarges. Vitsy ny mpampiasa fanafody ao Mayotte noho ao France hoy io tompon’andraikitra io. Raha baoritra 40 isakin’ny mponina, isan-taona no lany ao France dia 10 isakin’ny mponina izany ao Mayotte.

Nilaza kosa io filohan’ny Cyclamed io fa nanomboka ny taona 2015 izy ireo niara-niasa tamina toeram-pivarotana fanafody maromaro tao Mayotte. Amin’ireo toerana ireo mantsy no tena maro ny fanafody tsy ampiasaina intsony toy ireo efa lany daty, tamin’ny taona 2018 dia nahatratra 2 taonina ny fanafody tsy nampiasaina voahagona avy amin’ireo toeram-pivarotana fanafody. 2 taona ihany koa izany ny taona 2019 sy ny oktobra 2022 teo.

Laisser un commentaire