SocialTatitra

Royaume-Uni: Iharan’ny fanavakavaham-bolon-koditra ireo mitady fialofana ny amin’ireo ivon-toerana fampiantranoana

Efa 70 ny hetsika fanavakavaham-bolon-koditra amin’ireo mitady fialofana noraiketin’ny Home Office hatramin’ny fiandohan’ny taona raha ny tatitra nataon’ny The Guardian. Ireo mpikatroka avy ao amin’ny ankavanana no tena manao izany raha ny fanazavana. Ivon-toerana sy hotely dia voarohirohy ao anatin’ity fanavakavahana ireo mpifindra monina ity avokoa ao an-toerana.

Ny ivon-toeran’ny Penally sy Napier no anisany voatonona matetika amin’izany. Tranga efatra no efa voarakitra teo anelanelan’ny septambra sy desambra 2020 ho an’i Napier ao Kent manokana ary efa mahatratra 12 izany tamin’ity taona ity. Ho an’i Penelly kosa dia tokana ihany izany tamin’ny martsa 2021 ka nakaton’ny ministeran’ny atitany avy hatrany.

Laisser un commentaire