Etats-Unis : Kiraro misy marika “satanika”, niteraka resabe sy fitoriana
Andian-kiraro misy marika satanika ary misy rà mitete no niteraka resabe tao Etats unis ary nenjehin’ny orinasa Nike ny mpanao azy ireo. Ny orinasa MSCHF no nivarotra ity kiraro niteraka resabe ity rah any vaovao. Izy ireo izay misehatra manokana amin’ny fivarotana amin’ny Internet sy ny tambazotran-tsosialy maro isankarazany. Novokarin’izy ireo niaraka tamin’ny mpankanto amerikanina mpanao rap iray, Lil Nas X, ity kiraro ahitana marika satanika ity. Vokany, notorian’ilay orinasa Nike ho manala-baraka sy mangalatra ny sangan’asany ity orinasa ity noho izany. Ny kiraro Air Max 97 izay novokarin’ny orinasa Nike, saingy nasian’ny orinasa MSCHF marika miavaka izay “heverina ho tandindon’i Satana”. Nilaza ity orinasa mpamokatra foibe Nike ity fa tsy nisy ny fanomezana alalana manokana an’ity orinasa kely ity hanao izany; nampian’ny mpitondra teny ihany koa aza fa orinasa tsy manara-dalàna akory ny orinasa MSCHF. Tsy misy araka izany ny fifanarahana teo amin’ny roa tonta ary tsy manana fifandraisana velively amin’ity tetikasa ity izy ireo hoy hatrany ny nambarany tamin’ny mpanjifany. Niteraka fanomezan-tsiny tamin’ireo mpankafy ihany koa ity tranga ity ka antony nitondran’ny mpitondra tenin’ity orinasa ity fanazavana. Nangataka ny hampiatoana ny famatsiana izany amin’ireo izay nividy ity kiraro ity ny orinasa Nike. Niteraka resabe tamin’ireo mpampiasa Internet sy ny vahoaka rehetra izany tranga izany. Naneho hevitra manoloana izany i Kristi Noem, governoran’ny Dakota, ka nilaza fa miady amin’ny fanavotana ny fanahin’ny vahoakany izy ireo ka tsy manaiky velively izany. Nandefa horonantsary ihany koa ilay mpanakanto mpanao “rap” ho fifonana amin’ny vahoaka rehetra tamin’ny firaisana tsikombakomba tamin’ity orinasa kely ity.
