SocialTatitra

La Réunion : Mihabetsaka ny mararin’ny Covid-19

Miditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny Covid-19 i La Réunion amin’izao. Mitombo foana ny fepetra hiarovana amin’ny aretina manoloana izany. Miisa 1025 ireo tranga hita nandritra ny 7 andro farany raha 13 no maty izay maherin’ny 50 taona avokoa. Manomboka miitatra ny isa na dia nisy aza ny fepetra napetraka amin’ny famerana ny fivoahan’ny olona sy ny fodian’ny olona ny trano. Napetraka ny fepetra vaovao izay noraisina nanoloana izany fiakaran’ny antotan’isa izany. Teny amin’ny seranam-piaramanidina, nisy ny fampiasana ny fitaovana fitiliana vaovao amin’ireo mpandeha sy mpandalo ao amin’ny seranam-piaramanidina, izay fitiliana hatokisana sy vetivety noho ny PCR mba hisorohana ny fifindran’ny aretina eo amin’ny firenena. Izay afaka manome valin’ny fitiliana anatin’ny 35 minitra mba hahafahana miatrika ny dia am-pitoniana. Betsaka ihany koa ny fepetra vaovao lany ny zoma teo nandritra ny fivorian’ny Préfet ny zoma lasa teo.

Laisser un commentaire